ActualitésTsidika

Nametrahana Tale Jeneraly vonjimaika ny birao fampandrosoana ara-toe-karena eto Madagasikara (EDBM)

Manamafy ny fanafoanana ny fanendrena an’i Andritiana Ravalomanda ho amin’ny fitantanana ankapobeny ny birao fampandrosoana ny toe-karena eto Madagasikara (EDBM) ny filan-kevitry ny Minisitra. Nasehon’izy ireo tamin’ny fisafidianana an’i Lisiniaina Razafindrakoto izany, izay talen’ny fanavaozana sy ny haba eo amin’ny EDBM. Vokatr’izany, nifanakalo hevitra tamin’ny Minisitry ny fampandrosoana indostrialy, varotra ary fanjifana i Lisiniaina Razafindrakoto, tale jeneraly vonjimaikan’ny EDBM.Tsy neken’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fanendrena an’i Andritiana Ravalomanda noho ny mbola tsy nisian’ny fanendrena ofisialy ny mpandimby ny tale jeneraly teo aloha. Lisiniaina Razafindrakoto noho izany no neken’izy ireo noho izy efa ao anatin’ny vondrona EDBM. Nandritra ny fihaonan’ny tale jeneraly vonjimaikan’ny EDBM tamin’i Edgard Razafindravahy, Minisitry ny fampandrosoana indostrialy, varotra ary fanjifana no nisian’ny fifanakalozan-kevitra momba ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. »Tokony izay efa mpiasa tao ihany no hasondrotra fotsiny satria izy efa maharaka ny zavatra tokony hatao rehetra ao » hoy i Sylvia, mpianatry ny Oniversite. « Olom-baovao mihitsy no tsara tendrena eo, amin’izay raha toa ka nisy zavatra tsy ara-drariny nataon’ireo mpiasa notarihana ireo dia ho tapitra hatreo izany. Mba ho zava-baovao izany no hitranga e ! » hoy kosa i Bodo, mpanabe. Efa nijery izay mety ho fanampiana azon’ny Ministera omena an’ity fikambanana ity amin’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola kosa anefa ny Ministeran’ny fampandrosoana indostrialy, varotra ary fanjifana sy ny Tale jeneraly vonjimaikan’ny EDBM.Arak’izany, tokony halala-tsaina ireto mpivondrona ao amin’ny EDBM ireto fa tsy hanao lova tsy mifindra raha ny fitenenana. Kanefa tsy manakana ny fijerena izay mety hahasoa ny vondrona tarihana anefa izany. Raha izay ary, inona no mety tsy haneken’ny filan-kevitry ny Minisitra an’i Andritiana Ravalomanda ho tale jeneraly vonjimaika ny vondrona EDBM ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire