ActualitésTatitra

France : Zandary no iray namono tena rehefa avy namono mpamonjy voina

Mampalemy tokoa ve ny fitiavana? Lehilahy iray zandary tao Hérault no namono tena tao amin’ny tranon’ny olo-tiany taloha tao Viols-le-Fort, tanàna iray eo amin’ny kilometatra miala an’i Montpellier eo. Tsy nahazaka ny fiarahan’io vehivavy io tamin’ny namono mpamonjy voina iray ny SDIS ao Hérault io lehilahy io raha ny fanazavana ka namono azy talohan’ny namonoany tena.

Voatifitra in’enina na im-pito teo io namono mpamonjy voina io izay tao an-tranon’ilay vehivavy raha ny fanazavan’ny mpampanoa lalàn’ny repoblikan’i Montpellier, Fabrice Bélargent. Taorian’izany dia natodin’io zandary io tany aminy ny basiny « fusil d’assaut de calibre 5,56 ary nitifi-tena izy. Marihana fa tsy tao an-trano ilay vehivavy nandritra ny fotoana nisehoan’ny tranga.

Ireo manodidina ny nampandre ny manam-pahefana rehefa nahare feom-basy manoloana izany. Razana roa nefa no novantanin’izy ireo tao an-toerana.

Laisser un commentaire