La Réunion : « La Mafataise », labiera 100% vita ao amin’ny nosy
Namokatra labiera vaovao ny nosy La Réunion izay vita 100% ao an-toerana. I Marcel Bilin no namorona io vokatra io ary vinavinaina ho amidy ao ivelan’ny « cirque de Mafate » izany any amin’ny volana jolay na aogoisitra any.
Maniry ny ahampafantatra sahady ny vokany dieny izao nefa i Marcel Bilin, izay mpiompy « cerfs » ihany koa. Efa nanomboka ny taona 2020 izy no namokatra io labiera « La Mafataise » saingy nijanona ho an’ireo tonga nitsidika ny orinasany ihany izany.
Vita amin’ny rano avy ao amin’ny Piton Calumets ao Mafate kosa « La Mafataise » ary tovozina mivantana eny amin’ny loharano ny rano hamokarana izany. Hisy karazana maro kosa ny vokatra « blonde, brune, ambrée » ary hisy ihany koa ny hisy hanitra toy ny « anisse étoilées» hoy i Elodie misahana ny famokarana ny La Mafataise.
