ActualitésTsidika

Fitsarana miaramila: Hanomboka ny alatsinainy izao ho an’ny Antananarivo Renivohitra

Ny alatsinainy 3 aprily izao no hanatanterahana ny fitsarana miaramila 2023 ho an’ny tanora rehetra eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Nisy ny fanovana araka izany izay hitsinjovana manokana ireo mianatra sy miasa amin’ny andavan’andro ka hisy ny fandraisana azy ireo ny sabotsy sy alahady izay hanomboka ny 11 aprily izany. Maro ny antony hilaivana ny “certificate de position militaire” ka tokony hanana izany avokoa ny tanora lahy sy vavy rehetra manomboka eo amin’ny faha 19 taonany.

“Ireo izay teraka nanomboka ny 1 janoary 1992 hatramin’ny 31 desambra 2004 araka izany no antsoina hiatrika ity fitsarana miaramila ity. Tsy misy fiovana ny toerana fa Etsy amin’ny kianjan’ny Betongolo hatrany no hanatantearahana izany. Noho izany miandry ireo tanora rehetra mbola tsy nahavita ny fitsarana miaramila araka izany satria maro ireo sehatra ilaina ity certificat ity”, hoy ny tompon’andraikitra avy eo amin’ny Fitsarana miaramila.

Efa voalaza ombieny ombieny fa maro ireo sehatra no mitaky ny fananana ity “certificate de position militaire “ity na lahy na vavy ka izany indrindra no tokony hanaovana izany. Manazava mahakasika izany ny tompon’andraikitra: “ankoatra ny fanontaniana sy ny fanentanana ny tanora amin’ny service nationale (SN) dia ilaina ihany koa ny certificate de position militaire raha maniry hivoaka ny sisin-tanin’ny Madagasikara, anisan’ny taratasy ilaina rehefa hanamboatra passeport io zavatra iray io. Eo ihany koa ny fidirana ho mpiasam-panjakana amin’ny sehatra rehetra”.

Ny fananana ny karatra maintso dia antontan-taratasy iray hahazoana ny certificat ka izany no ilaivana ny fahazaoana azy. Eny amin’ny kianjan’ny Betongolo izany no hanatanterahana ny fitsarana miaramila ary ho avy tsy ho ela ny manerana ny faritra tsirairay. Marihina fa tsy handoavam-bola ny fitsarana miaramila ary tsy misy zavatra entina afatsy ny penina sy ny kara-panondro ihany. Tokony hatsaraina ihany koa ny lamina miaraka amin’izany mba hialana amin’ireo olana maro isan-karazany izay mateti-pitranga.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire