France : Lehilahy iray no nanolana ankizy 14 tao amin’ny fianakaviany
Lehilahy iray 61 taona no nosamborina noho ny raharaha fanolanana tamin’ny zaza tsy ampy taona ny 15 martsa teo ary nentina teo anoloan’ny fitsarana tao Bourgoin-Jallieu, Isère. Raha ny fantatra dia ankizy 14 izy mpikambana ao amin’ny fianakaviany avokoa no efa naolan’io lehilahy io. Zazalahy avokoa ireo ankizy niharan’izany ireo ary efa izy ireo latsaky ny 10 taona no niatombohan’izany.
Nitohy hatramin’ny fahatanoran’ireo ankizy ireo nefa izany herisetra ara-nofo izany. Nandritra ny fivoriam-pianakaviana no tena fanamparan’io lehilahy lehibe io ny filàn-dratsiny raha ny fanazavana. Nangiana avokoa ireo zatovolahy ireo saingy tonga nanatrika ny fandevenana ny vadiny taloha ilay lehilahy 61 taona io ka tafitohana ny zanak’i tompokovavy izany niharan’ny herisetra ara-nofo nataon’ilay lehilahy ihany. Izy ireo manoloana izany no nametraka ny fitoriana.
Efa eo am-pelantanàn’ny manam-pahefana moa ilay lehilahy nanao ny herisetra amin’izao fotoana.
