PolitiqueTatitra

Ukraine : Nanambara i Russie fa namely ireo mpikarama an’ady tao Kharkiv

Nanambara ny ministeran’ny fiarovana Rosianina, ny alarobia teo, fa nanao fitifirana tao amin’ny toerana fipetrahana vonjimaika ireo mpiady vahiny tao Kharkiv, tao atsinanan’i Ukraine, ny talata hariva teo. Araka ny voalaza, dia nisy mpikarama an’ady frantsay tamin’izy ireo. Vokatr’izany, miisa 60 ireo namoy ny ainy ary 20 isa ireo naratra. Simba tanteraka ihany koa ity toerana nitobian’ireo mpikarama an’ady ity.

Laisser un commentaire