Australie : Dryococelus australis, karazana bibikely lehibe
Karazana bibikely (insecte) ny « insulaire de phasmes » ny Dryococelus australis. Ao amin’ny Île Lord Howe any amin’ny 600 km miala an’i Australie no tena ahitana azy ary antsoina ihany koa izy hoe « homard des arbres ». Miavaka nohon’ny ahabeny ny io biby io. Mety mahatratra hatramin’ny 20 santimetatra ny haben’ny vavy aminy iay marihana fa lehibe noho ny lahy.
Efa nosokajiana lany tamingana ny Dryococelus australis tamin’ny taona 1920 saingy nahitana azy indray tao amin’ny volkano antsoina hoe pyramide de Bal tamin’ny taona 2001. Tsy tena nitovy tamin’ilay karazana taloha mbola hita ao amin’ny ranom-bakoka nefa ireo hita ireo. Manoloana izany dia noheverina fa karazany hafa io hita tamin’ny taona 2001 io saingy nisy ny fikarohana ADN natao ka fanatatra fa tsy nifakaiza ireo karazana ireo.
