Australie : Hametraka ny « Hamas » ho ao amin’ny vondrona mpampihorohoro ny firenena
Nanao fanambarana i Australie fa ho ampidiriny ao amin’ny lisitry ny vondrona mpampihirohoro ny « Hamas ». Ny vondrona islamiste ao Palestine « Hamas » moa dia mifehy tanteraka ny vondrona ao Gaza. Nihinina izy ireo fa ny hanafaka an’i Jérusalem amin’ny hery saingy mandrahona ny fanjakana ao israel amin’ny fanafihan’ny mpampihorohoro izany fanampahan-kevitra izany.Mpampiahiahy ny fotokevitry ny Hamas sy ny vondrona mahery fihetsika ka tsy omena toerana ao Australie hoy ny minisitry ny atitany ao an-toerana, Karen Andrews. Nanapa-kevitra izy manoloana izany fa hoavaozina ny lisitry ny mpampihorohoro ary ho ampidirina ao anatiny ny « Hamas ». Firenena farany ao amin’ny firenena tandrefana nandray io fanampahan-kevitra io i Australie
