Cambodge : Nahandron’ny Skun ny « Tarantule frite »
Maro ireo sakafo na zavatra ho anin’ny firenena samihafa mety hampangoritsina olona maro. Anisan’izany ity sakafo hafakely ao Cambodge ity izay hampioronkoditra ireo olona « arachnophobe ».Hala vaventy antsoina hoe « mygale » karazany « haplopelma albostriatum » ity hoanin’ny mponin’i Skun ity. Endasika toy ny mofo izany, saingy alohan’izany dia hompiana anaty lavaka ao avaratry ny tanàna ity biby ity, samborina ary rakofana siramamy sy « glutamate » izay vao endasika miaraka amin’ny tongolo gasy. Azo hoanina miaraka amin’ny labiera izy na miaraka amin’ny dipoavatra maintin’ny Kampot iray tanana.Raha ny tsirony kosa dia mangidingidy izy, saingy manakaikikaiky ny akoho sy lamoria ny tsiron’ny lohany. Entina mandendeha toy ny akoho sy ny rà-kena eto Madagasikara na amidy amin’ny kapoaka ny famarotra ity sakafo ity ao an-toerana. Nilaza ireo mpivarotra azy fa tena tsara ho an’ny vehivavy avy niteraka sy ny fanaintainan’ny tonon-taolana ny « tarantule frite ».
