Arivonimamo: Tratra ny mpangalatra kodiaran-tsarety
Lehilahy roa no tratran’ny Fokonolona nangalatra kodiaran-tsarety tany Arivonimamo. Ny alin’ny 20 febroary tokony ho tamin’ny 10 ora alina no nitrangan’izany tao Alaroa Arivonimamo II. “Tsy tratra teo am-pangalarana akory ireto mpangalatra ireto. Narahan’ny Fokonolona ny dian’izy ireo. Tany Andrangaranga vao sarona ny maraina tamin’ny 4 ora teo” hoy i Saholy, Mponina ao Alaroa. “Noterena hanome ny karapanondrony izy roalahy. Gadra ao amin’ny fonjan’Arivonimamo izy ireo raha ny filazany ka mbola any ny karapanondrony” hoy ny Filoham-pokontany any an-toerana. Nahagaga ny Fokonolona ihany ny tenin’izy ireo hoe gadra satria mandeha amin’iny alina. Na izany aza anefa ny mpitandro filaminana no tompon’andraikitra amin’ireto mpangalatra ireto. Efa natolotra ny Zandary izy roalahy mpangalatra tratra ireto.
