ActualitésTsidika

Fandriam-pahalemana : Jiolahy miisa 16 no voasambotra teny La Réunion Kely

Voasambotra teny La Réunion Kely ny jiolahy miisa 16, izay tompon’antoka tamin’ilay fanafihana mitam-piadiana ny 22 febroary teo teny Bongatsara sy Tsiafahy. Very nandritra io fanafihana io ny kojakoja mitentina an-tapitrisany maro.

« Nisy ny fanarahan-dia natao ireo jiolahy taorian’ny fanafihana. Voasambotra aloha ny namany iray, ary ity farany no nanoro ny namany teny Ampefiloha sy La Réunion Kely. Eny rahateo no no hamarotan’izy ireo ny entana vao avy nangalarina » hoy ny mpitandro filaminana. « Nisy ihany koa ny ampahany amin’ireo entana very no tratra teny an-toerana. Tratra tao an-tranon’izy ireo ihany koa ny basy « revolver » iray sy antsy lava lela, rongony sy ny fitaovana maro hafa » hoy ireo Zandary ao Antananrivo Renivohitra.

Misy amin’ireto jiolahy ireto ihany koa no efa voamarina fa nandray anjara tamin’ny fanafihana tetsy Ambohitrimanjaka ny 25 janoary 2022 lasa teo, izay nahafatesan’ny namany roalahy. Marihina fa ny telo tamin’izy ireo dia efa voafonja teny Tsiafahy ary ny efatra teny amin’ny fonjan’Antanimora.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire