Tsidika

Tsarasaotra Ivato : Fiara starex iray no tratran’ny lozam-pifamoivoizana

Omaly tokony ho tamin’ny 8 ora maraina teo no nitranga ny loza teny Tsarasaotra, lalana mihazo an’Ivato. Fiara Starex iray no nivadibadika tsy latsaky ny im-pito ka nahitana fahasimbana maro. Tsy nisy olona hafa-tsy ny mpamily tao antin’ity fiara ity ka vokatry ny loza dia naratra mafy ny tenany ary noentina namonjy fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Araka ny fanazavan’ny nanatri-maso dia tsy nisy fifandomana nitranga fa vinavinaina ho ny hafainganam-pandeha ambony loatra no niteraka izao loza izao. « Tsy nisy na fiara na moto na mpandeha an-tongotra nanelingelina azy ka nahatonga izao fivadian’ny fiara izao. Raha ny fahitanay azy teo nandeha mafy izy ka tsy voafehiny intsony ny familiana ary izao niharan-doza izao » hoy ny nanatri-maso.

Manoloana ity loza ity dia nanentana ireo mpampiasa lalana mba hitandrina ny zandary mpandrindra ny fifamoivoizana eny an-toerana. « Matetika itrangana loza tahaka izao ety amin’ity lalana ity, manararaotra mampiakatra hafainganam-pandeha ireo mpamily ka izay no matetika mitera-doza. Entanina hatrany ihany koa isika mpampiasa lalana mba hitandrina sy hanaraka ny lamina tokony hajaina ety an-dalam-be ho fisorohana ny loza miteraka ratra sy faty olona matetika » hoy izy ireo.

Velon-taraina ihany ireo mpampiasa iny lalana iny ary nanambara mihitsy fa faritra mafapana i Tsarasaotra. Ankoatra ny lozam-pifamoivoizana mitranga matetika eny an-toerana tokoa mantsy dia manjaka koa ny asa fanendahana sy toraka fiara amin’ny alina.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire