ActualitésTsidika

Tolagnaro Nitohy ny fitarainana nataon’ny mponina noho ny fahafatesan’ny trondro sy fahalotoan’ny rano avy amin’ny fitrandrahana fasi-mainty ataon’ny orinasa QMM.

Efa nisy ny fandehanana an-tsehatra nataon’ny tompon’andraikitra avy amin’ny fanjakana. « Hohatsangana ny laboratoara manokana hitsirika ny rano any Andrakaraka sy ny manodidina hahafantarana ny marina. Ho havaozina sy harahamaso koa ny bokin’andraikitra » hoy izy ireo. « Efa nisy ny fitiliana nalefa any amin’ny ivon-toeram-pirenena misahana ny teknika nokleary INSTN. Ho fantatra tsy ho ela ny vokatra » hoy ny solontenam-panjakana. Etsy an-kilany, milaza fa mahafehy hatrany ny fitrandrahana ataony ny QMM. Andrasana ny valin’ny raharaha ary hirariana ho vetivety izany.

Laisser un commentaire