ActualitésTsidika

Taranja billard : Afaka mandray anjara amin’izany matetika ao amin’ny One More ireo mpankafy

Efa maro mpitia ity taranja ity eto Madagasiakara. Lalao natao ho an’olon-tokana na hiarahana amin’ny olona maromaro eo amin’ny « tapis” iray. Lalao hanehoana teknika sy fahamalinana ity billard ity. Tsy mitsahatra mikarakara lalao ny « One More » eny Antanimora eny ho an’ireo mpankafy.

Vao ny sabotsy teo no notanterahina ny One more Manal’azy part II, tsy ho ela ny part III saingy andalam-pikarakarana ny lalao Happy Independence Day ny 24 sy 25 jona izao ny mpikarakara. Tsy hanavahana izy ity fa afaka tonga daholo. Hisy loka ihany koa hozaraina ho an’ireo izay handresy.

Toy izany ihany koa ny SSMAF izay hotanterahina eny Ambohimangakely. Hiantsoana ny rehetra mpitia « billard » izany satria afaka mandray anjara amin’io taranja io ireo mpankafy. Tsy maintsy misy hatrany ny loka ho zaraina.

Hanomboka ny 13 jolay izao ary hifarana ny 16 septambra ny SSMAF izay karakarain’ny Fikambanana BTC. Efa misokatra ny fisoratana anarana.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire