ActualitésTsidika

Avaradrano: Maro ny klioba handray anjara amin’ny « Tournoi Ambohidavenona foot à 9 »

Ho tontosaina rahampitso sabotsy ny lalao ampahefa-dalana amin’ny « tournoi Ambohidavenona foot à 9 » amin’ny taranja baolina kitra. Maro ireo klioba hanadray anjara ao anatin’izany, izay saika nahitana ireo ekipa isaky ny kaominina ao anatin’ny distrika Avaradrano.

« Amin’ny 08ora maraina dia efa hanomboka ny lalao rahampitso sabotsy ary tsy hifarana izany raha tsy amin’ny 04 ora hariva. Handray anjara ao amin’ny lalao avokoa ireo sokajy sy ekipa fanta-daza eny amin’ny fokontany » hoy ny avy amin’ny mpikarakara.

« Mandritra ny tontolo andro no hisian’ny lalao. Samy hanana ny fisehoany avokoa araka izany ny endri-dalao rehetra ka hanentanana ny mpankafy baolina kitra rehetra ho avy hanohana sahady ary ho tonga maro amin’izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa ny sokajy U15, ny U17 ary ny U20 no handray anjara amin’ity lalao ity. Samihafa kosa ny loza ho an’izay mandresy ao anatin’izany ary tahaka izay ihany koa ny sara-pandraisana anjara amin’ny lalao.

Manitra R.

Laisser un commentaire