Europe : Orinasa iray no hanarama olona hanandrana ireo fiarandalamby mandeha alina
Tena mety ho an’ireo olona tia mitety toerana ity asa atolotry ny orinasa Radical Storag ity. Orinasa misahana manokana ny « consigne à bagages » izy ireo ary mitady olona hanandrana ireo fiarandalamby mandeha amin’ny alina (trains de nuit) manerana an’i Europe. Mbola afaka misafady ny lalana dimy andehanany ihany koa ireo mpiasa voafantina amin’izany.
Ny olona tadiavin’ny amin’ity asa ity dia olona afaka milaza amin’ny antsipiriany amin’ilay orinasa sy amin’ny mpandeha ny fahatsapany ny fandehanana fiarandalamby mandeha amin’ny alina sy ny antony tokony na tsia andehanan’ny olon-kafa amin’izany raha ny fanazavan’ny Radical Storag. Olona 18 taona noho mihoatra kosa no ilaina ary manana antontan-taratasy ara-dalàna ahafahana mivezivzey ao Europe.
Tanjon’ity asa ity ihany koa ny fanaovana fampitahana ny tolotra samihafa atolotry ny orinasa misahana ny fiarandalamby raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitra. Ny Radical Storag no mandoa ny karama amin’io asa io izay mitentina 500 livres. Ny 5 jolay izao koa no misokatra ny fangatahan’asa.
