ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Tratra ireo mpanendaka tao Ambohimahitsy

Jiolahy miisa dimy, izay mpanendaka sy mpanao sinto-mahery, teny amin’ny faritra Ambohimahitsy sy Mahazo, no tratran’ny zandary avy amin’ny poste avancé Soamanandrariny, nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo ny alin’ny 12 desambra teo. Toerana efa matetika nitarainan’ny mponina amin’ny fisian’ny mpanendaka izany, ka izao nanaovana fisafoana izao, araka ny voalaza.

“Nisy ny vokatra satria dia tratra teny tokoa ny mpanendaka miisa 03 tamin’io fotoana io. Niaky avokoa izy ireo fa tena mpanendaka eo amin’ny fiantsonan’ny Taxi-Be 135 eo Ambohimahitsy ary vao telo andro izay no nahazo finday iray teo. Mbola nahatrarana rongony sy maritoa fampiasany ihany koa izy telolahy ireto” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Nitohy ny fanadihadiana ka voasambotra ny 13 desambra 2023 teo Mahazo ihany koa ny tovolahy iray mpanao sinto-mahery mpanararaotra ny hamaroan’ny olona miakatra anaty Taxi-Be. Ankoatra izay, mbola nanohy ny fanadihadiana izay nitarika tamin’ny fisamborana tovolahy iray izay efa matetika mangalatra amin’ny mpampiasa azy sy misoloky ny fanadihadiana” hoy hatrany ny fanazavana.

Manao ny ezaka rehetra  ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana sy fisamborana ireo olon-dratsy. Ilaina anefa ny fandraisana andraikitry ny rehetra, indrindra amin’ny fampiharana ny tana-maron’ny fandriam-pahalemana, izay lalana iray ahafahana manatratra ireo olon-dratsy.

Laisser un commentaire