ActualitésTsidika

Misy fivoarana ve ny tontolo ambanivohitra ?

Tosika ara-bola ho an’ireo rantsana maro, fotodrafitr’asa isan-karazany no vitan’ity fitondrana ity tao aantin’ny roa taona izao. Ireo anefa toa tsy misy mahakasika ny mponina any am-banivohitra izay 75% ny mponina eto Madagasikara. Mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana, hany ka tsy mivoatra ny tontolo amabanivohitra fa ireo nataon’ny Ntaolo ihany no tohizan’izy ireo. Na dia nisy aza ny tetik’asa PADAP (Promouvoir une agriculture durable par l’approche paysage) izay natomboka tamin’ny 2017 ary tokony hifarana amin’ny 2022 natao mba hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra kanefa aiza ny fiovana ? Inona no niova teo ? Volabe anefa no natontona tamin’io tetik’asa io satria 100 Tapitrisa Euros be izao izay avy any amin’ny AFD sy ny Banky iraisam-pirenena ary ny Tahiry ho an’ny tontolo iainana eran-tany. Ny faritra SAVA, Analanjirofo, Sofia ary Boeny aloha no voakasik’ity tetik’asa ity. Tsy nahafantatra ny fisian’izany akory aza izahay sady tsy mahalala ny momba izany hoy ny Ben’ny tanàna iray tamin’ireo faritra ireo. Misy amin’iro Ben’ny tanàna araka izany no tsy mahafantatra akory ny fisian’izao tetik’asa izao. Tsy misy ve ny fitohizan-draharaham-panjakana ? Mihamahantra ny mponina any ambanivohitra satria sady simba ny tontolo iainana no kely ny vokatra sady tsy tonga vidy tahak any fambolena lavanila izay mampitaraina ny mponina ny amin’ny viidny mora loatra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire