Fifaninanana tetikasa: Nahazo tosika ireo tetik’asa ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana mendrika amin’ny fandaharan’asa Mitsiry.
Nanatanteraka antso fifaninana tetikasa ny USAID hampiroboroboana ny “programme Mitsiry”. Miisa 83 ireo tetik’asa no napetraka hifaninana tamin’izay. Miisa 10 kosa ireo voafantina hampandehanana ity fandaharan’asa ity. Tteik’asa mahakasika ny sosialy sy ny tontolo iainana no tena notadiavina tamin’ity fifaninanana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny mahakasika ny fambolena, ny fiarovana ny tontolo iainana, ary ihany koa ny famokarana vokatra ara-pahasalamana.
« Miisa 10 ireo tetik’asa no nahazo tohana sy tosika avy amin’ny USAID. Ny tanjona amin’ny fanatanterahana ity asa ity dia mba hahafahana miaro ny tontolo iainana sy manampy ny olona rehetra ara-tsosialy. Vola mitentina 5000dollars sy fampiofanana ary fanohanana no loka nomena ireto mpandresy ireto”, hoy ny tompon’andraikitry ny fandaharan’asa Mitsiry.
“Nosafidiana manokana ireto tetik’asa ireto noho ny tombontsoa entiny eo anatrehan’ny mponina amin’ny fiarovana ny tontolo iaianana sy ny fanampiana ny mponina. Raha tsy hiteny fotsiny afatsy ny tetik’asa mahakasika ny fanodinana fako, izay mitondra fahasalamana sy fanadiovana ny tontolo manodidina fotsiny. Ao anatin’izany ihany koa fahaizan’ny tarika miara-miasa, ny mety ho mpanjifa azy ireo. Noraisina an-tsaina avokoa izany rehetra izany hahafahana manome azy ireo ny fanampiana”, hoy hatrany ny fanazavana.
Natao hanampiana ny olompirenena rehetra ny fandaharan’asa Mitsiry ka izay indrindra no nitadiavana ireto tetik’asa maro samihafa ireto mba hahafahana manatratra anaty fotoana fohy izay tanjona lehibe izay. Ankoatra ny fifaninanana toy izao dia manana anjara ny tsirairay hifanampy sy hifanohana na amin’ny fomba mivantana izany na ankolaka mba hampandrosoana an’ny Madagasikara.
Miora Raharisolo
