ActualitésTatitra

Népal : Horohorontany tamin’ny maridrefy 5.6 no nahafaty olona 6 tao an-toerana

Nisehoana horohorontany tamin’ny maridrefy 5.6 tao Népal ny marain’ny alarobia teo nanodidina ny 2 ora maraina tao an-toerana. Tsy lavitr’i Dipayal no nisy ivony, 350 km tany 340 km andrefan’i Kathmandu ary tany amin’ny halaliny 15 km.

Nahery dia nahery io horohorontany io ary re hatranyNew Delhi tany Inde. Manoloana izany dia olona 6 no maty tao amin’ny distrikan’i Doti. Tao amin’ny tonkatrano iray ny 3 tamin’ireo. Olona 5 hafa kosa naratra vokatr’io loza voajanahary io hoy ny lehibenny polisy tao an-toerana Rajendra Dhamala.

Laisser un commentaire