Alasora : Simban’ny rivo-mahery ny tafon’ny CEG Alasora
Taorian’ny fandalovan’ny oram-be sy ny rivo-mahery izay niseho tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ravan’ny rivo-mahery tanteraka ny tafon’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa (CEG) Alasora. Araka ny voalaza, miezaka hanarina izany faran’izay haingana ny avy ao amin’ny kaominina amin’izao fotoana izao.
« Manana anjara andraikitra lehibe ny kaominina manoloana izao fahavoazana miantraika amin’ny fampianarana izao. Tsy maintsy misy ny ezaka fanamboarana izany faran’izay haingana mba hamerenana amin’ny laonina sy ho hitohizan’ny fampianarana araka ny tokony ho izy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Tokony ho mailo hatrany ny rehetra amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao, izay fotoana isehoan’ny karazana voina sy fahasimbana foto-drafitr’asa isan-karazany. Aleo miaro tena sy mandray fepetra ary miomana amin’ny fiavian’ny loza isan-karazana hisorohana ny voka-dratsy mety haterak’izany » hoy i Laza, raim-pianakaviana.
Anisan’ny fotoana ilàna ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny tahaka izao. Ilaina ny fandraisan’andraikitra sy ny fifanohanana eo amin’ny fanarenana ny fahavoazana satria anisan’ny sekoly nanasoa sy manabe ny zaza malagasy hatramin’ny ela. Ity sekolim-pankajana ity izay efa manodidina ny 40 taona no nisian’ny teo Alasora.
Manitra Ramanantsoa
