France : Zazavavy kely iray no niaran’ny herisetra ara-nofo tao amin’ny tranom-barotra iray
Zazavavy kely 10 taona iray no niaran’ny herisetra ara-nofo tao amin’ny « rayon » misy kilalao ny tranom-barotra iray tao Vienne, Isère ny herinandro lasa teo. Ny « caméra de surveillance » tao amin’io tranom-barotra io no nahitana ny fihetsik’ilay lehilahy 45 taona ary nahafahana nisambotra azy.
Hita tamin’ny horonantsary fa efa nandritra ny minitra maromaro io lehilahy io no nikitika ny faitra fadin’ilay zazavavy. Fantatra ihany koa fa olona efa nokarohin’ny polisy io lehilahy io. Andro vitsivitsy tao alohan’ny tranga mantsy dia efa nanao fihetsika manoafady tamin’ny ankizivavy iray hafa ihany koa izy tao amin’ny tranom-barotra iray tao Saint-Maurice-l’Exil ary tao amin’ny « rayon » misy kilalao ihany koa.
Eo efa am-pelantanan’ny manam-pahefana kosa io lehilahy io amin’izao fotoana.
