ActualitésTatitra

Etats-Unis : Mpitandrina iray no nihaiky ny heloka nataony efa tamin’ny 48 taona lasa

Tovovavy kely antsoina hoe Gretchen Harrington, 8 taona no tsy hita tamin’ny 15 aogositra 1975. Tamin’io fotoana io dia nankany amin’ny « camp biblique » tao Marple, Pennsylvanie izy ary taorian’izany dia tsy nandrenesam-baovao intsony.

Nisy fiangonana roa tao amin’io toerana nandehanan’i Gretchen Harrington ary ny mpitandrina David Zandstra no nitarika ny hetsika nataon’izy ireo ary ny rain’i Gretchen Harrington kosa no nitantana ilay fiangonana iray hafa. Ity farany no nahatsikaritra fa tsy hita ny zanany ary niparitaka nanerana ny « camp » izany ka niantso manam-pahefana i David Zandstra izay 35 taona tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga.

Roa volana taorian’ny tranga vao hita tao amin’ny valan-javaboahary Ridley Creek ny razan’ilay zazavavy ary i David Zandstra no nitarika fivavahana tamin’ny fandevenana ilay zazavavy. 48 taona taorian’ny tranga dia niaiky heloka i ny fandevenana i David Zandstra izay 83 taona amin’izao fotoana fa namono an’i Gretchen Harrington. Nasainy niakatra tao amin’ny fiarany ity farany hoy izy ary nasainy nanala akanjo saingy tsy nanaiky ka novonoina ary natsipiny tao amin’ilay valan-javaboahary nahita ny razana.

Laisser un commentaire