ActualitésTsidika

Fisolokiana ny ambasady amerikana eto Madagasikara amin’ny fampianarana teny anglisy

Efa miharatsy sy miha-mivaona mankany amin’izay fomba mora ahazoana vola avokoa ny ankamaroan’ny olona noho ny fisian’ny krizy vokatry ny Coronavirus. Mandeha avokoa na halatra na fisolokiana amin’izany ary efa manomboka tsy mifidy vondrona sy olona kendrena intsony ireo ratsy.

Anisan’ireo namoaka fanambarana ny amin’ny fisian’izany fisolokiana izany ny teo anivon’ny ambasady amerikanina eto Madagasikara. Araka ny nambarany, misy fikambanana mitonona ho miara-miasa akaiky amin’izy ireo amin’ny fampianarana teny anglisy izay anisan’ny tanjona sy fandaharan’asa eo anivon’ity ambasady ity ny fampiroboroboana azy ary mampanantena mari-pahaizana avy amin’ny ambasady amerikanina.

Nanolotra fanazavana anefa izy ireo fa na dia tanjona aza ny hampiroboroboana ny teny anglisy eto madagasikara, tsy hanao izany ho fitadiavam-bola velively izy ireo. Raha tsiahivina anefa, anisany singa fototra manakana ny fandrosoan’ny firenena iray ny tsy fandriam-pahalemana. Ity anefa eto Madagasikara efa miakatra amin’ny sehatra ambonimbony ny resaka fisolokiana.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire