ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Fiara mpitatitra nandona zaza tao Ankadilalana

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tao Ankadilalana, Ambohimangakely ny talata maraina teo. Fiara mpitatitra olona no niala kodiarana nandritra izany. Vokany, zaza iray tsy manan-tsiny no voadonan’ilay kodiarana niala ka folaka, araka ny voalaza.

“Tsy fantatra mazava na vokatry ny tsy fanaraha-maso ve san oho ny tsy fitandreman’ny tompon’ny fiara fa dia tena tsy rariny ihany ny zava-misy tahaka izao satria ireo olona tsy manan-tsiny no midi-doza noho ny tsy fitandreman’ny hafa” hoy i Rija, mpivarotra eo amin’ny manodidina.

“Ny loza tampoka tahaka izao no tena tokony hahasarotiny ny tomponandraikitra amin’ny fanaovana fitsirihana ny fiara matetika. Misy ireo fiara mpitatitra izay tena tsy vitan’ny tsy manaja mpandeha fa eo ihany koa ny tsy fikarakaraka ny fiara, tahaka izao” hoy i Miora, mpandeha fiara iombonana.

Taratry ny tsy fanarahan-dalàna matetika no mahatonga ny tranga tahaka izao. Ao anatin’izany ny tsy fanaraha-maso ny fiara ampiasaina, fa eo ihany koa ny tsy fanaovana ny fitsirihana ara-potoana. Hanentanana ny tomponandraikitra araka izany mba handray fepetra entitra, hisorohana ny loza tahaka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire