Talata Volonondry: Nahazo lapan’ny tanàna vaovao ny kaominina
Nahazo lapan’ny tanàna vaovao ny kaominina Talata Volonondry. Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahana ny fitokanana izany tamin’ny fomba ofisialy. Tonga nanotrona izany lanonana izany tao an-toeran ireo olom-panjakana maro.
“Vato fehizoro ho an’ny taranaka ny fahavitana foto-drafitr’asa goavana tahaka izao. Hisaorana ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy amin’ny ezaka nasehon’izy ireo satria taratry ny fandraisana andraikitra sy ny fampandrosoana tokoa ny asa vita sy mijoro izao” hoy i Rija, mponina ao Talata Volonondry.
“Foto-drafitr’asa iombonona ny asa vita izao. Taratry ny fandrosoana izany ka ny rehetra no entanina ma samy ho sarotiny sy ho tomponandraikitra amin’ny fikojana azy ireny. Mba hipetraka ho tantara, fa indrindra ihany koa ahafahana manao ireo asam-panjakana isan-karazany” hoy ireo solo-tena avy amin’ny kaominina.
Nitarika izany fitokanana izany tao an-toerana moa ny filohan’ny Sénat, notronin’ny Sefo distrika, ny filohan’ny fikambanana AFF (Andry Fototra Fampandrosoana), mpanolon-tsainan’ny filoham-pirenena, ny solotenan’ny Dasp ary ireo ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa avy amin’ny kaominina rahavavy.
Manitra R.
