Ambohimangakely: Mizotra mian-dalana ny asa fanamboarana ny CEG Ambohimangakely
Tonga nijery ny fizotran’ny asa fanavaoazana sy fanamboarana ny CEG Ambohimangakely teny an-toerana ny tomponandraikitra miadidy ny kaominina ao an-toerana ny faran’ny herinandro teo Mizotra miandalana ny asa, ankehitriny, ary ho vitaina mialohan’ny fanombohan’ny taom-pianarana vaovao izany, araka ny voalaza.
“Ao anatiny tanteraka ny asa fanamboarana sy fanavaozana ny CEG Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Mizotra mian-dalana ny asa ety an-toerana ary enjehina alohan’ny fidiran’ny mpianatra ny fahavitan’izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Efa hita mivaingana ny fiovana teo amin’ny fanavaozana ny CEG ity, raha vao jerena na tazanin-davitra fotsiny aza. Hisaorana ireo tomponandraikitra nitondra fanamboarana sy nanao izany ho laharam-pahamehana satria ilain’ny mpianatra ny fanamboarana ny sekoly sy mianatra amin’ny toerana manaraka ny fenitra” hoy i Voahangy, mpampianatra.
Anisan’ny sehatra iray tsy azo atao ambanin-javatra ny lafin’ny fampianarana, indrindra ny fanavaozana sy fanatsarana ny toeram-pianarana, tahaka izao. Ny fianarana no lova tsara indrindra ka tokony atao mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra ny foto-drafitr’asa hanovozam-pahalalana.
Manitra R.
