Uruguay : Voatery misotro ranon-tsira ny ampahan’ny mponina
Misedra haintany goavana, tsy mbola nisy tao anatin’ny 74 taona i Uruguay amin’izao fotoana. Manoloana izany dia ritra ny rano ka voatery misotro ranon-tsira ny ampahan’ny mponina. Raha ny fanazavana dia 2% monja ny tahirin-drano ao Paso Severino, 80 km miala ny renivohitra Montevideo no feno.
Noho izany dia voatery nanafangaro io tahiry kely io tamin’ny rano avy ao amin’ny « estuaire » Río de la Plata ny orinasa mpamatsy rano ao an-toerana. Marihana nefa fa masira io rano io noho izy tsy mifanalavitra amin’ny ranomasimbe Atlantique. Mampitaraina ny mponina nefa izany, misy ireo milaza fa mankalohilohy ary tsy azo sotroina mihitsy ilay rano.
Raha tsiahivina die efa nanomboka ny 19 jona ny governemanta tao an-toerana no nanambara ny hamehana manoloana ny loharanon-drano.
