ActualitésTsidika

Anjeva Gara : Hisy ny hetsika hampifaliana ny mponina amin’ny fetin’ny faran’ny taona

Hisy ny hetsika hampifalifaliana ny mponina ao Anjeva Gara, antsoina hoe « Anjeva Manala azy 2021 », ny faran’ny taona ho avy izao izay karakarain’ny Kaominina Anjeva sy fikambanana BTC Ambohimangakely. Ilaina tokoa ny misintaka kely miala amin’ny fiainana mahazatra mba ahafahan’ny saina mihavao indray, hiatrehana ny taona ho avy.

Efa miasa foana ny mponina mandritra ny taona taona, ka nahoana no tsy hampifaliana na dia in-draipa isan-taona ihany aza indrindra taorian’ireny aretina covid-19 ireny » hoy ny tompon’andraikitra ao Anjeva. « Fotoana iray io, ahafahana mamondrona ny mponina any an-toerana, indrindra ireo mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Afaka ampisehoana ny firalahiana sy ny firaisan-kina ho an’ny mponina any an-toerana mihitsy io » hoy i Diamondra, mpikambana ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Tsara tokoa ny hetsika toy izao mba ahafahanay mponina tena manala azy tokoa, manala ny sorisory, indrindra ao anatin’ny kermesy sy ny totorbika tahaka ny ho hita mandritra ity hetsika ity » hoy i Fano, mponina ao Anjeva.

Ny 30 sy 31 desambra izao no hanatanterahana ny hetsika, izay ahitana kermesy sy foara, ny diabe ary ny totorebika sy dom-bovoka. Tena zava-dehibe eo amin’ny olombelona tokoa ny « manala azy », ny manala ny sorisory, ny manala ny alahelo sy ny hasosorana kely, mba ahafahantsika manovo hery vaovao indray hitondrana ny fiainana amin’ny hoavy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire