ActualitésTsidika

Betsiboka : Voasambotra Le Tsiminambary, mpimasin’i Del Kely

Tra-tehaky ny dinan’i Betsiboka tao Betanatana kaominina Andriamena, distrikan’i Tsaratanàna, ny mpimasy iray na koa ombiasy fantatra amin’ny anarana hoe Letsiminambary, malaza amin’ny famatsiana ody bala ireo dahalo mpaka an-keriny.

« Tena isan’ireo mpamatsy ody bala an’i Del Kely, ilay jiolahy rain-dahiny amin’ny fakàna an-keriny namoy ny ainy tao anatin’ny fifanjevona tamin’ny mpitandro filaminana, sy ny namany aho » hoy ity mpimasy ity raha niaiky ny zava-bitany. « Maro ireo anaran’olona notononin’ity mpimasy ity ho anisan’ny mpiray tsikombakomba amin’ny resaka fakàna an-keriny toy ny olom-boafidy, mpandraharaha, mpiasam-panjakana sy hafa koa » hoy ny governoran’ny faritra Betsiboka. « Tena mandripaka eto amin’ny firenena mihitsy ireto olon-dratsy ireto ka tena tokony ho foanana hatramin’ny fakany mihitsy ieo tambajotran-jiolahy ireto » hoy i Laza, mponina ao Betanatana.

Marihina fa Taizan’i Le Tsiminambary ihany koa ireo telolahy matin’ny dina tao Ambatomitsangana, kaominina Andriamena. Tena miparitaka manerana ny faritra maro mihitsy ireto andian-jiolahy ireto ka tena tokony hafainganina ny fanadihadihana mikasika ireto namany mbola miafina any ho any sy ireo mpiray tsikombakombna, izay dahalo ambony latabatra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire