SocialTsidika

Fiainam-pirenena : Mijaly ny vahoaka, ny mpitondra kosa toa tsy misy zava-maha ory

Mandeha tokoa ny fanokanana ataon’ny filoham-pirenena amin’izao ary indrindra ny fizarana fanomezana isan-karazany. Nanolotra 4×4 miisa 8 ho an’ny fitsarana an-tampony indray manko ny filoham-pirenena. « Nomen’ny filoham-pirenena ireto fiara ireto ho fanatsarana ny fomba fampiharana ny lalàna sy ny fanajana ny lalàna eto main’ny firenena » hoy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Minisitry ny Fitsarana.

« Midika ho tsy maintsy hisy tamberin’andraikitra takiana amin’ireo atsy ho atsy ve izany fanomezana izany sa tena fanomezana hanatsarana ny asa fotsiny ihany ? Nahoana anefa no ny fitsarana an-tampony ihany ? » hoy ireo avy amin’ny antoko mpanohitra. « Ny tsy tokony hahazo indray no mahazo sady ireo ve tsy efa manana fiara daholo fa ny karaman’ny mpiasa ambany kosa efa amam-bolana maro no fitakiana vao mba misy ny fandraisana andraikitra kely, ny vatsim-pianarana efa kely ho an’ny mpianatra aza misy ain’olona latsaka mihitsy vao mivoaka » hoy i Laura, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Tsikaritra tokoa fa raha dinihina ety ivelany ny asa ataon’ny filoha dia toy ny tena manam-bola sy manan-karena i Madagasikara, ka na lalana 150m aza dia tokanana amin’ny fomba mihaja. Ny vahoaka anefa etsy an-kilany maidy amin’ny kapoaka ka tsy hita izay tena fiatraik’ireny tokanana isakin’ny mihetsika ireny amin’ny kapoakam-barin’ny olona. Ny entana eny an-tsena aza tsy mitsahatra miakatra indrindra ireo entana ilaina isan’andro.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire