ActualitésTsidika

Kaominina Alasora : Nahazo fanomezana ireo sefo fokontany

Nisitraka kidoro sy « panier garni » ireo filoham-pokontany sy lefitra tao anatin’ny kaominina Alasora ny asabotsy lasa teo, izay natolotr’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny kaominina sy ireo reny tsara sitra-po ao amin’ny fikambanana « porte Bonheur ».

Tsy nisy navahana fa samy nahazo ny anjarany avokoa ireo filoha sy lefitra eny anivon’ny fokontany tsirairay tao Alasora. « Faly tokoa izay noho izao fanomezana izao ary isaorana anareo mpitondra ao amin’ny kaominina fa tena ilaina dia ilaina tokoa ny fanomezan-tanana amin’izao fotoana izao, hitatsika ny fahasahiranana mianjady amin’ny madinika. » hoy ny filoham-pokotany lefitra ao Mahatsinjo. « Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay fanampy, hita tokoa fa mitondra fanatsarana sy fanosehana ireo tomponandraikitra ety amin’ny fokontany ny fanomezana ny fanolorana tahaka izao » hoy ny solotenan’ireo reny tsara sitrapo.

Hirarian’ny mponina ao Alasora ny hitohiazan’ny fanomezan-tanana tahaka izao izay anisan’ny manosika ny mponina sy ny tomponandraikitra hanao zavatra na asa tsara hatrany izay hita fa mitondra makany amin’ny fampandrosoana tokoa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire