Bealanana : Olona iray no maty noho ny lozam-pifamoivoizana
Olona nanao taingin-droa ‚ nandeha moto no tra-doza tao Soamanizy amin’ny làlana mampitohy ny faritra Bealanana sy Ambatoriha ny 03 septambra teo. Maty tsy tra-drano ny iray raha maratra mafy sy mbola manaraka fitsaboana kosa ilay namany. Tsy hay mazava moa ny antony tena nahatonga ny loza.
« Manahirana ny mandamina ny fifamoivoihizana, indrindra rehefa akaikin’ny fidiran’ny mpianatra toy izao, maro mantsy ireo olona no avy niala sasatra ka mamonjy ny fodiany » hoy ireo mpitandro filaminana misahana ny fifamoivohizana. « Tokony samy handray ny andraikitra tandrify azy avokoa ny tsirairay avy, samy hanaja ny làlana mifehy ny fifamoivohizana mba hisorohana ny loza rehetra mety hitranga » hoy i Fidy mpampianatra mahakasika ny fifamoivohizana. « Tsy ny mpitandro filaminana irery ihany no tompon’andraikitra fa ireo olona mihintsy ihany koa no sarotra teneniny matetika ka mampiteraka ny loza » hoy i Faneva, mponina ao Bealanana.
Mirary fiononana feno‚ mankahery ny fianakaviana mana-manjo, ary mirary fahasitranana hoan’ilay marary. Mila mitandrina hatrany.
Famenontsoa Rajerison
