Masindray : Efa misitraka rano fisotro madio ny mponina
Tontosa soa aman-tsara ny tetik’asa hisitrahan’ny mponina ao amin’ny Fokontany Masindray ny rano fisotro madio. Ny fahasalamana tokoa no voalohan-karena, satria isan’ny tena nampijaly ny mponina tany an-toerana ny rano izay antokin’ny fahasalamana. »Tsy sanatria hihaino sy hijery fotsiny ny fitarainan’ny vahoaka ny mpitondra fa hiezaka araka izay vita hanatratrarana ny tanjona iombonana » hoy Andrianomenjanahary Marius, ben’ny tanàna ao Masindray. « Mbola miaina amin’ny rano avy amin’ny vovo, izay hita fa tena mampirongatra ny aretina maro toy ny Bilharziose ny rano tsy ara-pahasalamana, ankehitriny efa nivaha ny olana » hoy ny sefo fokontany ao Masindray. »Olana tokoa ny rano fisotro madio manerana ny fokontany rehetra ato anatin’ny Kaominina ka enga anie hiparitaka manerana ny fokontany hafa ny tetik’asa fanomezana rano fisotro madio ny mponina tahaka izao » hoy i Holy, mponina ao Masindray. Samy manana ny fenitra amin’ny rano fisotro madio ny rehetra, ny fahaizana mitrandraka ny rano eto anefa dia isan’ny vahaolana ialana amin’ny tsy fahampian’ny rano. Miezaka mamaha ny olana eny ifotony ny solontenam-panjakana isan-tsokajiny, nosy voadidina rano i Madagasikara, nahoana anefa ny rano no tena olana mianjady eo amin’ireo mponina ?
Nicole Rafalimananjara
