Fanafihana taksibrosy Ilaka Centre.
05 Oktobra, 07h20. Notànana am-ponja vonjy maika ireo vondron’olona miisa efatra voarohirohy tamin’ny fanafihana taksibrosy maromaro tetsy Ilaka Centre, Ambositra. Nandritra ny fakàna ambavany azy ireo no nahafanatarana fa ireo telo lahy izay monina ao Betafo no miara-miasa amin’nilay vehivavy izay mandray sy mividy ny entana alatra.
