Barea Maagasikara
08 Oktobra, 07h00. Tonga io maraina io teto an-tanindrazana ny Barean’i Madagasikara hiatrika ny lalao miverina. Lalao izay hifanandrinana amin’ny Léopards an’i RDC ny alahady ho avy izao amin’ny 7 ora hariva etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Ao amin’ny Hotel Novotel Alarobia kosa izy ireo no nivantana mandrapahatongan’ny fotoana.
