ActualitésTatitra

Russie : Nahitana trangam-pahafatesana 900 noho ny Covid tao an-toerana

Voalohany hatramin’ny nisian’ny Covid tao Russie no nisiana trangam-pahafatesana 900 izany tao anatin’ny 24 ora. Isa ambony indrindra hatramin’izay nisian’ny valan’aretina tao an-toerana io nivoaka omaly io raha ny fanazavana. Marihina fa efa miditra ao anatin’ny andiany faha efatra amin’ny covid-19 i Russie. Nanambara ireo manam-pahefana fa 25 133 ihany koa ny tranga vaovao niaraka tamin’io antontan’isa. i Russie no firenena Européen manana taham-pahafatesana amboniny indrindra ankehitriny, mahatratra 212 625 izany hatramin’ny niandohan’ny valan’aretina.

Laisser un commentaire