ActualitésTatitra

Etats-Unis : Voasafidy ho « Personality of the Year » i Elon Musk

Nivoaka ny alatsinainy teo ny fahampafantarana ny olona mendrika indrindra teo amin’ny sehatra arak’asa tamin’ity taona ity. Voasafidy tamin’izany i Elon Musk, izay tompon’ny Tesla sy ny SpaceX. Vitsy ny olona manana ny traikefany sy ny fahaizany, hoy ny lehiben’ny gazety marolafy namoaka io fahampahafantarana io, Edward Felsenthal.50 taona i Elon Musk ankehitriny. Efa mitentina 1 000 000 tapitrisa dollars ny orinasany, raha efa manana harena 260 miliara dollars ny tenany hoy ny Forbes. Raha tsiahivina dia i Joe Biden sy Kamala Harris no voatondro tamin’izany toerana izany ny taona 2020 teo.

Laisser un commentaire