ActualitésTsidika

Nilaza ny hanapotika ny Géranium ao Ambatofitorahana ny Minisiteran’ny Tontolo iainana

Miha potika sy rava ny tontolo iainan’i Madagasikara noho ireo hetsika fanimbana ataon’ny Malagasy tsy tonga saina. Tsy hitsitsy sy tsy handefitra manoloana ny hetsika fanimbana ny tontolo iainana anefa ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy izay tarihan’i Minisitra Vahinala Baomiavotse Raharinirina indrindra any amin’ireny faritra arovana ireny. Hihetsika indrindra amin’izany lalàna mikasika ny tontolo iainana izany izy ireo any amin’ny valan-java-boaary arovana Ambatofitorahana izay tsy lavitra an’Ambositra ho any Fianarantsoa. Efa nampiomanina ireo mpitrandraka « huile essentielle » ao amin’izany faritra izany mba hiala ny toerana efa am-bolana maro lasa izay kanefa minia manampi-tsofina ka manohy hatrany ny famokarana. Nanapa-kevitra ny avy amin’ny Minisitera niampy ny fankatoavan’ny Minisiteran’ny fitsarana fa ho ravaina ny zava-maniry « geranium » mba handravana ireo mpanodina ireo ihany koa. Tanjona mantsy ny hanajana ny lalàna satria ny mitrandraka ny faritra arovana dia sokajiana ho loza mitatao ho an’ny tontolo iainana. Nidina an-tsehatra tany mahanoro ihany koa aza ny Minisitera manoloana ny fitarainana maro voaray amin’ny fitrandrahana ao amin’ny faritra arovana izay hanodinana ny katsaka sy ny vanille ary ny litchis. Mameriberina hatrany ny Minisitera fa tsy hitsitsy manoloana ny hetsika toy izany ary mety ho tratran’ny asa an-terivozona sy lamandy 100 tapitrisa hatramin’ny 2 Miliara Ariary ireo tsy manara-dalàna araka ny lalàna mifehy ny faritra arovana. Tsy ny Minisitera irery anefa no hisitraka ny tontolo iainana madio sy milamina raha voaaraka an-tsakany sy an-davany ny lalàna mifehy izany fa isika olombelona rehetra. Koa samia àry saro-piaro amin’ny tontolo iainana iombonana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire