Namoaka entana vao maraina ireo mpivarotra amoron-dalana
Tsy maintsy miasa mba hihinana ny vahoaka satria tsy maharaka ny tohana omen’ny fanjakana mba tsy hilazana hoe tsy misy mihitsy. Ravaina ny asa fidiram-bolan’ireo sahirana kanefa tsy misy ny vahaolana omena azy ireo. Mitaraina ireo mpivarotra amoron-dalana ankehitriny manoloana ny fanenjehana sy ny fandraràna azy ireo tsy hivarotra eny amoron-dalana intsony. Ny tsena anefa efa feno, raha hanofa trano fivarotana indray, ny sakafo ho harapaka aza mbola manahirana ka ahoana no hatakarana ny ofan’izy ireny ? Tsikaritra androany 25 May maraina fa namoaka entana vao maraina be ireo mpivarotra amoron-dalana teny Behoririka teny satria tsy maintsy miala izy ireo rehefa tonga ny tompon’andraikitra manala azy izay mety hatramin’ny 8 ora maraina any ho any. Tsy maintsy mivarotra izy ireo na dia izay hividianany ny sakafony androany ihany aza. Maraina toy izany koa ve anefa ny mpividy ? Mivarotra ao anatin’ny kisendrasendra ve izany izy ireo ? satria rehefa misy ny mpividy entana maraina vao mahalafo na mety miandry ny andro hazavazava hilatsahan’ny mpiantsena. Olana eto amintsika ny tsy fisian’ny asa, na ny asa mety misy ihany fa ny traikefa sy ny fahaiza-manao no tsy ampy. Mariky ny fahatran’ny firenena iray rahateo ny fahabetsahan’ny mpivarotra ao aminy hoy ny mpandinika toe-karena iray. Ilaina araka izany ny hamahana ny olan’ireo mpivarotra ireo, iza tokoa moa no maniry tsy hanara-dalàna iznay saingy ny zava-misy tokoa no mitondra azy.
Nicole Rafalimananjara
