ActualitésTsidika

Tokana ny kandida ho fidiana ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety 2021-2024

Tapitra ny 26 septambra teo tamin’ny 12 ora atoandro ny fanaterana ireo antotan-taratasy filatsahana ho fidiana ho filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM. Kandida tokana anefa no hany nanatitra ny taratasiny amin’izany fifidianana izay hotontosaina ny sabotsy 16 Oktobra izao. « I Rasoloarison Monica no lohalisitra hofidiana amin’io fifidianana io izay avy ao amin’ny TVM saingy mbola dinihana tsara ny momba azy raha tomombana tsara amin’ny firotsahana ho fidiana ka havoaka ofisialy ny alarobia ho avy izao » hoy ny vaomera mpikarakara ny fifidianana.

« Samy manaiky isika fa zarazara ny asa fanaovan-gazety ka mila averina amin’ny hasiny izany asa izany amin’ny maha fahefana fahefatra azy ary mila arovana ny zon’ny mpanao gazety indrindra mbola vitsy ny vehivavy mpitarika, koa maninona raha vehivavy indray no hitantana ny holafitry ny mpanao gazety » hoy i Rasoloarison Monica, Kandida ho filohan’ny OJM. » Hisy ny fampielezan-kevitra hatramin’ny 14 oktobra ho an’ireo hilatsaka hofidiana raha toa ka 1905 no mpifidy andrasana amin’io fotoana io » hoy i Rambeloson Jean Aimé, filohan’ny Vaomera mpikarakara ny fifidianana.

« Efa tapitra ela ny fotoam-piasan’ny Holafitra, ka tsy ao anatin’ny andraikitry ny fampandehanan-draharaha intsony ny fanolorany izay ho solontenany ao amin’ny CENI » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny serasera.

Misy idiran’ny Ministera tokoa ve ity holafitra iray ity izay manana ny fahaleovan-tenany manokana ? Marihina fa hisy biraom-pifidianana isaky ny faritra 23 manerana ny nosy amin’io andron’ny 16 oktobra io ? Efa midika ve izany fa eo am-pelatanany ny fahefana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire