Tandindonin-doza ny ala any amin’ny faritra andrefana
Anisan’nyy maha Nosy maintso an’ny Madagasikara ny fisian’ny ala eto, miha-mihena anefa izany ankehitriny. Ankoatra ny fandripahana ala ataon’ireo mpanao arina fandrehitra dia anisany mandripaka ny ala ihany koa ny fanaovan’ireo tantsaha ny « tavy ».
Raha hiverenana ny tantara dia vao tsy ela fa tato anatin’ny volana septambra ihany no nisy fahamaizana goavana tao amin’ny alan’Ankarafantsika, tao koa ny firehetana tao amin’ny tanin-janakazo Marohogo Mahajanga, niteraka fihenan’ny ala izany ary midika fa manotanona ny fahasimban’ny tontolo iainana.
« Tsy misy fijerena ny tontolo iainana intsony fa miroborobo ny fanimbàna izany, ireo mpanao voly tavy efa tsy voafehy intsony, mbola manampy trotraka koa ireo mpandoro tanety sy mpigafy, tsy miaina intsony ny ala aty amin’ny faritra andrefana, raha ny ao amin’ny faritr’i menabe manokana izao dia baobab miisa 2tapitrisa no maniry ao, atahorana anefa ny haharingana izany » hoy i Justin, mpiaro ny ala ao an-toerana.
« Isika Malagasy mihitsy no tsy voafehy intsony. Tsy ny mpandoro ihany no diso fa na ny mpiambina koa aza, tokony ho anjara asan’ireo ihany ny fanaraha-maso ny ala, ny mpitandro filaminana any an-toerana koa tokony hanampy tosika azy » hoy kosa i Aly, mponina any Menabe.
Nanamafy hatrany ny avy ao amin’ ny minisiteran’ny tontolo iainana fa « ezahina ho enjehina ireo mpandringàna ny ala mba hiverenan’ny Madagasikara ho Nosy maintso. Ny ala no anisan’ny ahazoana ny rivotra sy ny rano, ary tokony ho fantatry ny rehetra fa tsy ny rivotra iainana ihany no simba noho ny fandoroana fa ny fahasalamana ihany koa koa, miha-sepotra ny olona noho ny fisian’ny entona be loatra ateraky ny doro tanety, mihantona ihany koa ny orana kanefa ny rano aza efa ritra ».
« Tsy hefan’ny mpiambina ao an-toerana intsony ny fifehezana ny olona mba tsy hanao tavy sy handoro tanety, ny fanomezana asa ho an’ny tsy an’asa koa no anisany vahaolana akaiky, mba tsy hironan’ny olona amin’ny fanimbàna ny tontolo iainana, ilaina koa ny fanentanana avy amin’ny rehetra mba tsy ho tany ngazana i Madagasikara » hoy kosa i Tsiresy, mpikambana ao amin’ny WWF.
Ny hiasana sy hitadivam-bola dia ny mba hitsinjovana ny hoavy. Manjavozavo anefa izany ho avy izany raha ho an’ny eto Madagasikara manokana. Ekena fa efa nisy ny fanimbana ala hatrizay fa tokony atsahatra izany, satria olona maro no tandindonin-doza. Ny hafa ve mamboly dia ianao hisompatra Aoka izay ny fandripahana sy fandorana ny ala fa ny taranakao no tandindonin-doza voalohany.
Lovasoa Tojonirina
