Ihorombe : Nisy ny fampiofanana ny tanora ho amin’ny sehatry ny fandraharana
Nomena sehatra ny tanora tao amin’ny faritr’Ihorombe tamin’ny alalan’ny fampiofanana mahakasika ny fandraharana, ny alakamisy lasa teo.
« Fampianarana fototra amin’ny sehatry ny fandraharahana » no lohahevitra nentina nanokafana ny ivon-toerana napetraky ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina tao amin’ny distrikan’ Ihorombe ny volana mey lasa iny ary anisan’ny nisarika sy nahaliana ny tanora tao amin’ny faritra ny sehatry ny fandraharahana, antony namerenana indray ny fampiofanana tao an-toerana. Tanora miisa 42 no nisitraka izany.
Manitra Ramanantsoa
