ActualitésTatitra

Israël : Tanàna lafo indrindra eran-tany i Tel-Aviv

Tanàna lafo indrindra eran-tany i Tel-Aviv, raha ny fanadihadiana nataon’ny The Economist ny fiandohan’ny volana teo. Nisongona an’i Paris sy Singapour ary, anisan’ny lohandohany amin’ny firenen’i Moyen-Orient nitondra io toerana io, raha ny firenen’i Europe sy Asie no hita amin’izany matetika.Mitaratra ny tanjaky ny lanjan’ny vola israélienne « shekel » manoloana ny dollar izany fahalafosana izany. Satria ny fahefam-bidy tao New York no nanatanterahana ny fampitahana, nahazoana io valim-panadihadiana io. I Paris kosa no eo amin’ny laharana faharoa raha voalohany niaraka tamin’i Zurich sy Hongkong izy ny taona 2020 teo.Damas ao Syrie kosa firenena mora indrindra, izay manana sandam-bola ambany indrindra amin’ny dollar. Antony ny fitotonganan’ny toe-karena ao an-toerana noho ireo ady an-trano sy ny filatsahan’ny vidin’ny « billets verts ».

Laisser un commentaire