Indonésie : Nipoaka ny volkano Semeru
Tanàna tsy latsaky ny 11 no rakotry ny lavenona ny noho ny fipoahan’ny volkano Semeru tao amin’ny nosy Java ny alahady teo. Tsy latsaky ny 13 ihany namoy ny ainy tamin’izany, hoy ny mpitondra tenin’ny masoivoho nasionaly misahana ny loza voajanahary ao an-toerana Abdul Muhari. 57 kosa no naratra tamin’izany hoy izy ary 41 no may.Toeram-pivavahana kosa no nampiantranoana olona 900 ny alin’ny alahady teo, ary mbola maro olona karohina amin’izao fotoana. « Maro ireo olona maneho ny fahavelomany amin’ny alalan’ny jiron’ny finday smba ahitanay azy ireo » hoy koa ireo mpamonjy voina. Marihina mantsy mbola maro ireo olona tsy hita ao an-toerana.
