France : Ny rongony no zava-mahadomelina be mpanjifa indrindra
Firenena anisan’ny maro mpifoka rongony indrindra ao Europe i France, raha ny filazan’ny « Baromètre Santé de Santé publique France 2020 ». Olona 1 ao anatin’ny 10 ao aminy no mandray izany raha ny fanazavana, ary 46% amin’ny olon-dehibe tao an-toerana no efa nanandrana izany.Anisan’ny tena ahitana izany ihany koa ao La Réunion. 35, 4% amin’ny mponina no mandray izany ary, azo ambolena malalaka ao an-jaridaina izany raha ny fanazavana. Marihina fa ao Pays Bas sy Canada ihany no azo jifaina ny rongony raha manana fahazoan-dàlana, saingy nahazo alalana noho ny antony ara-pahasalamana izany tao France ny volana martsa 2021 teo amin’ny toerana 215 ao an-toerana.
