Italie : Lehilahy iray nikasa nanao vaksiny tamin’ny tànana tsy tena izy
Lehilahy iray 50 taona tao Biella ao avaratr’Italie no tonga tao amin’ny toeram-panaovam-baksiny iray tao an-toerana niaraka tamina tànana tsy tena izy na “bras en silicone”. Nikasa natao vaksiny tamin’io tànana io izy mba hahazoana “pass sanitaire”.Tratra moa ity lehilahy ity rehefa tsy tafiditra nety nanindrona ilay tànana tsy tena izy ny fanjaitra ka niantso ireo manam-pahefana ireo tompon’andraikitra saingy nampihome azy ireo aza izany. “Tsy manam-petra ireto mpanohitra ny vaksiny na “anti-vax” ireto” hoy izy ireo.Efa maro be no mamarotra ireto tànana tsy tena izy ireo ao amin’ny tambajotran-tserasera, miainga amin’ny 40 euro ary mahatratra 1 000 euros izany.
