Golf – « Inter-îles 2023 »: hanomboka anio ny fifaninanana
Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 25 aogositra, eny amin’ny Golf du Rova Andakana, ny fifaninanana “Golf Inter-îles 2023”. Miisa dimy ireo firenena mandray anjara amin’izany: i Madagasikara, mpampiantrano, i La Réunion, i Maurice, i Mayotte ary i Seychelles.
