Masindray : Misokatra ny fisoratana anarana amin’ireo fiofanana ao amin’ny CFP Masindray
Misokatra indray ny fisoratana anarana amin’ireo fiofanana izay atolotry ny CFP Masindray, indrindra ho an’ireo tanora, amin’izao fotoana izao. Maro karazana ny lalam-piofanana izay atolotry ny ivon-toerana ar ahazoana diplaoma ara-panjakana izany, araka ny voalaza.
« Araka ny fangatahan’ny maro dia misokatra ny fandraisana anarana ho an’ireo liana amin’ny fiofanana izay hataolotry ny ivon-toerana amin’izao fotoana izao. Misy moa ny fiofanana momba ny fiompiana akoho fakana nofo, ny fampianarana momba ny fanamboarana mofo mamy, ny taranja informatika sy mécanique auto sy moto » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ivon-toerana.
« Ankoatra ireo dia anisan’ny mampiavaka ny ivon-toerana ihany koa ny fampiofanana momba ny rafitra trano, ny fampianarana momba ny tontolon’ny zaitra rehetra ary ny machiniste industrielle » hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Mandray mpianatra hatrany moa ireo ao amin’ny ivon-toerana amin’izao fotoana izao, ary ny 10 janoary izao no fidirana amin’ireo fiofanana. Marihina moa fa maimaim-poana ny saram-piofanana amin’izany.
Manitra Ramanantsoa
