ConseilTsidika

Torohevitra : Ireo voka-tsoa entin’ny tongolo lay na tongolo gasy

Maro be ireo ireo zava-mahasoa entin’ny fampiasana ny tongolo lay. Efa hatramin’ny ela ny olombelona no nampiasa azy io entina hitsaboana aretina maro. Fantaro fa tena mahasitrana vetivety ary miady amin’ny karazana bakteria ny tongolo lay.

Voalaza fa manankarena singa toa ny sofra izay mahatonga azy ho be fofona, ioda, silisy ao anatin’ny tongolo lay. Manana ihany koa izy ilay singa antsoina hoe « allicine » sy « ajoène » izay singa manatsara ny fikorinan’ny rà ao amin’ny vatan’olombelona, ireo singa ireo ihany koa no mamono ireo bakteria isan-karazana ao anatin’ny vatana sy ety ivelany.

Misy calcium, cuivre, zinc, potassium, magnesium, vitamine A, B, C, ny acide gras ary karazana antioxydants  miady amin’ny fahalovana ihany koa ity karazana tongolo ity.

Maro dia maro ireo fomba azo ampiasana ny tongolo gasy amin’ny fitsaboana. Azo ampiasaina hanakatonana fery izy, mampidina tosi-drà, miady amin’ny tavy toy ny cholesterol, menena ny ahan’ny siramamy ao anatin’ny vatana fa indrindra azo atao ody kohaka sy ody kankana ihany koa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire